CUA-MEH-Jirama: tontosa ny tetikasa « Hazavao ny elakela-trano »

Nisantarana ny tetikasa “Hazavao ny elakela-trano” eto anivon’ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra ny alakamisy teo, ny eny amin’ny fo­kontany Behoririka, Ambato­mi­tsangana, Ankadifotsy, ao anatin’ny boriborintany fahatelo..

Nisongadina ny fiovana satria tena namirapiratra ny tanàna nohazavain’ny jiro. Nanamarina izany ny mponina amin’ireo toerana ireo izay nankasitraka ny mpitantana ny tanàna sy ireo tomponandraikitra.

Misoroka ny ampahany betsaka amin’ny tsy fandriampahalemana eny an-tanàna ny fahazavana anaty elakela-tra­no. Manampy tanteraka ireo mpiasa mirava amin’ny alina na mandeha vao mangirandratsy ihany koa, indrindra amin’izao fotoana , vetivety dia maizina ny andro.

Iarahan’ny kaominina An­tananarivo Renivohitra amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny orinasa Jirama ny tetikasa « Hazavao ny elakela-trano ».
Tanjona ny fanatsarana ny endriky ny tanàna fa indrindra hanamafy ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana izay anisan’ny tena mampikaikaika ny mponina. Jiro “cobra” miisa 1 000 no hoezahina haparitaka manerana ny boriborintany 6 eto an-dRenivohitra amin’izao fanombohana izao.

Nilaza ny tomponandraikitra fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny Veliranon’Iarivo ny fa­natsarana sy fanohanana ny mahasoa ny mponina ary hatao laharam-pahamehana amin’izany ny fitandroana ny filaminam-bahoaka amin’ny alalan’ny fanazavana ireo lalana sy lalankely.

Efa nisy ny tetikasa “An­tananarivo Mirehitra Jiro” izay niarahan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Jirama niasa ka nahavitana nametraka jiro miisa 1.020 teto Antananarivo. Mifameno, ara­ka izany, ny tetikasa roa tonta ho fanatsarana hatrany ny tanàna. Hitohy eny amin’ny fokontany hafa ny tetikasa “Hazavao ny elakela-trano”.

Tatiana A

Partager sur: