Fampivoarana tanàna : hampandroso an’Ampasika ny Tafa

Vonona ny hampandroso ny fokontanin’Ampasika ny fi­kambanana Toky sy Andry amin’ny Fampandrosoana an’ Ampasika (Tafa). Araka ny voalazan-dRandriamanana Armand, filohan’ny Tafa, omaly, teny an-toerana dia tsy misy ambadika politika ny adidy sy andraikitra ataon’izy ireo eny an-toerana. Tanjon’izy ireo ny hampiditra ireo kilonga an-tsekoly, hamerina ny soatoavina malagasy, hanentana ny tanora hanadio sy hiara-hiady amin’ny tsy fandriampahalemana eny anivon’ny fokontanin’ izy ireo.
Ankoatra izay, manana rantsana ara-panatanjahatena ny fikambanana Tafa, anisan’izany ny taranja rugby.
Marihina fa afaka miditra ao anatin’ity fikambanana ity avokoa ny rehetra, natao hanasoavana ny fiarahamonina ny tetikasan’ny Tafa, ka miantso ny rehetra ny lehiben’ny vondrona mba hijery akaiky izany. Tsiahivina fa miisa 50 ny mpikambana mandrafitra ny Tafa, ary nitsangana ara-panjakana ny 8 janoary 2023.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: