Nisy fofon-toaka ireo roa lahy tamin’ireo olona efatra mpanakorontana filaharana hanao pasipaoro voasambotry ny mpitandro filaminana tetsy Anosy, afakomaly. Milahatra vao maraimbe ireo mpangataka pasipaoro . Amin’ny 3 ora sy sasany maraina izy ireo dia misy milaza tonga eny an-toerana. Vokatr’io filaharana io anefa, miady handeha aloha ireo olona sasany ka misy ny minia manakorontana ny lamina apetraky ny tomponandraikitra. Ho an’ny renim-pianakaviana roa voasambotra, misera antontan-taratasy sandoka amin’ny vidiny 4 hetsy Ar hanaovana pasipaoro izy ireo. Fisolokiana goavana io ataon’izy ireo io ka izao tra-tehaky ny polisy miasa ao an-toerana izao. Ankoatra azy ireo, roa lahy hafa voasambotra rehefa nitarika ireo olona sasany tsy hanaraka ny fandaminana mandritra ny filaharana. Nentina hatao fanadihadiana eny anivon’ny polisy izy ireo.
Tsiferana R.