Vehivavy mitaizakely ny iray tamin’ireo efatra mianadahy voasambotry ny mpitandro filaminana mahakasika halatra moto tetsy Itaosy, ny alarobia teo. Nisy naka tao amina tokantrano iray ao Antsahakely ny moto iray, tamin’ny 2 ora sy sasany maraina. Nanao fitarainana ny tompon’ny entana very ka natao ny fikarohana. Niara-niasa tamin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana. Noraisim-potsiny teo am-pikirakirana ilay moto halatra ny olona efatra tao Amboatavo. Nandositra kosa ny naman’izy ireo vantany nahatazana ny zandary. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Naverina amin’ny tompony ilay moto.
Tsiferana R.