Ho avy eto an-tanindrazana, ny 25 avrily ho avy izao, ny Sensei Ramanitrandrasana René, 10ème Dan amin’ny taranja karaté. Araka ny voalazan’ny filohan’ny komity mpikarakara, Sensei Rakotonirina Marcel, omaly, teny Ambatomaro, hanome fiofanana ny Sensei René amin’ny 27 – 28 avrily ho avy izao. Raha ny fanazavan’izy ireo, misokatra ho an’ny rehetra ity fiofanana ity, ka manao antso avo amin’ireo klioba rehetra ny mpikarakara, ary natao maimaimpoana izany. Ankoatra izay, ny 29 avrily ho avy izao no hanaovana ny fifaninanana “Coupe René Ramanintrandrasana”, izay hiarahan’ity komity ity amin’ny ligin’Analamanga. Tsy mbola voafaritra ny toerana hanaovana izany.
Fifanintsanana natao ho an’ny sokajy lahy sy vavy, kata sy kumité, lalao natokana ho isaky ny sokajin-taona.
Tsiahivina fa ity fifanintsanana ity, eo ambany fiahian’ny Federasiona malagasin’ny taranja karate, izay tarihin-dRatefinanahary Emile.
Fitia (Mpianatra asa)