Ho fantatra rahampitso alahady 23 avrily izay ho tompondakan’ny andiany voalohan’ny fifaninanana “Mibala Tournament”, izay hatao ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Lalao basikety karakarain’ny ISPM (Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar) ho an’ny Oniversite. Hafana tanteraka io rahampitso io, araka ny nambaran’ny Talen’ny serasera eo anivon’ny ISPM, Rabaonary Tantely.
Ankoatra ny lalao famaranana, hisy ny fanentanana sy ny mpanankanto ho avy. Eo ihany koa ireo fifaninanana hafa toy ny “Dance Contest”, “dunk”, “3 points”, … Nitondra fanazavana mahakasika ny olana nisy teo amin’ny lalaon’ny ESPA Vontovorona sy ny ISPM Antsobolo, omaly, ity Talen’ny serasera ity. Nambarany fa nisy fihetsika tsy mendrika niseho teny ambony kianja ka nandray fanapahan-kevitra nanatsahatra ny lalao ny tomponandraikitra, 11 segondra tsy hifaranan’ny fihaonana. Holazaina miandalana kosa ny fepetra horaisina ho an’ireto ekipa roa ireto, raha ny fanazavany hatrany. Vetivety dia nilamina ny olana.
Araka izany, hitohy anio amin’ny manasa-dalana ny “Mibala Tournament”. Anisan’ny hiatrika izany ny ekipan’ny DEGS, sokajy vehivavy, rehefa nandavo ny L. Etrangère, tamin’ny isa 46 no ho 43. Hiatrika izany ihany koa ny ekipan’ny Cnela, sokajy lehilahy, rehefa nanilika ny Esti, tamin’ny isa 66 no ho 58. Ekipa anisan’ny tafakatra manasa-dalana ny Esca, sokajy vehivavy, rehefa nahazo ny fandresena nanoloana ny Essa, tamin’ny 54 no ho 25.
Mi.Raz