Nahazo helikoptera Airbus H 130… : “Nilofosako ny fampitaovana ny Tafika ana habakabaka”, hoy ny Filoha Rajoelina

Natolotry ny filohan’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy, Andry Rajoelina, tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy teo, teny amin’ny 1er Batail­lon Parachutiste Ivato, ny helikoptera vaovao, Airbus H 130, ho an’ny Tafika mala­gasy. Nandray ny fanalahidin’ ity helikoptera ity ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, notronin’ny lehiben’ny Etamazao­ron’ireo Tafika sy ny lehiben’ ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka. “Manapo­rofo ny finiavan’ny fanjakana hamerina ny hasin’ny Foloa­lindahy malagasy izao fampitaovana izao. Nilofosako ma­nokana ny fampitaovana ny Tafika ana habakabaka mba ho mendrika izany anarana izany tokoa izy ireo”, hoy ny Filoha Rajoelina. Nohamafi­sin’ny filoham-pirenena fa hanana ireo fitaovana ilaina hanatontosana ireo adidiny toa ireo fiaramanidina Cessna dimy efa am-perinasa ankehitriny ny Tafika malagasy.

Eo koa ireo “parachute à ouverture automatique” 75 isa ary ireo helikoptera efa novidiana teo aloha. Ankoatra ny fitaterana ireo miaramila sy ny fitandroana ny filaminana manerana ny Nosy, hiasa amin’ ny vonjy voina ity helikoptera vaovao ity. Afaka hitaterana ireo mila fitsaboana maika any amin’ireo faritra saro-dalana ihany koa izy ary ireo iraka hafa toy ny ady amin’ny doro tanety. Fitaovana raitra tokoa izy ity, novokarin’ny orinasa Airbus, mahazaka olona fito miampy vesatra milanja 980 kg.
Nankasitrahan’ny Filoha, ny Jly Saifoudine…

Fa notanterahina teny amin’ ny 1er Bataillon Parachutiste Ivato koa ny famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ikopa teo aloha, ny Jly Saifoudine Nandrasana Hassanaly sy ny kaomandy vaovao ny Jly Razafy Andria­narivony Ratsisetraina Rivo. Taorian’izay, niroso tamin’ny lanonana fanaovam-beloma ara-miaramila ny Jly Saifou­dine Nandrasana Hassanaly, handeha hisotro ronono, rehefa nahavita 36 taona teo anivon’ ny Tafika. Nankasitraka ny zava-bitan’ity manamboninahitra jeneraly ity manokana ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry, noho ny fahaiza-manaony. Anisan’izany ny filatsahana an’elonaina teo amin’ny kianja Barea Maha­masina, ny 26 jona 2019 na dia efa 56 taona aza izy tamin’ izany.

Jean Claude

Partager sur: