Na efa namoahan’ny Malagasy Rugby sazy sy efa nampanantsoin’ny vaomieran’ny fitsipi-pifehezana aza ireo ligim-paritra (Vakinankaratra, Betsiboka, Menabe), mbola mikiry manohitra ny rafitra mpitantana ihany. Nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana indray izy ireo, niaraka tamin’ny ligin’i Matsiatra Ambony sy Diana, ny talata lasa teo, teny amin’ny UCM Ambatoroka. Natrehin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena izany. Tinapaka tamin’io fivoriambe io ny fanitsiana ny sata mifehy ny rugby, ka anisan’izany ny tsy fahafahan’ny filohan’ny Malagasy Rugby mitondra mihoatra ny taom-piasana roa, ny fanalefahana ny fepetra amin’ny filatsahana hofidina izay ho filohan’ny Malagasy Rugby. Nambaran’izy ireo fa nisy ny fanitsakitsahana ny sata sy ny lalàna mifehy ny fanatanjahantena ka hirosoana amin’ny fifidianana ara-dalàna. Natsangana ary ny komitim-pifidianana manaraka ny fenitra, nahazoana fankatoavana tamin’ny filohan’ny ligim-paritra. Efa tafapetraka eny anivon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ireo rehetra ireo. Miisa 5 mianadahy ny mandrafitra io komitim-pifidianana io. Nisokatra nanomboka ny 19 avrily lasa teo ny filatsahan-kofidina, izay haharitra roa herinandro ny fandraisana ny antontan-taratasy ao amin’ny kianja Malacam. Etsy an-kilany, efa nanambara ny filohan’ny Malagasy Rugby, izay efa nankatoavin’ny Rugby Afrique sy ny IRB ny fahalaniany, fa tsy hilefitra amin’izao fanakorontanana ataon’ireto ligim-paritra ireto izao, izay efa nisy taratasy nifanaovana ka tsy maintsy handray fepetra. Hivoaka amin’ny herinandro ho avy io ny fanapahan-kevitra mikasika azy ireo, raha ny voalazany.
Tompondaka