Voaroba 10 tapitrisa Ar…: vehivavy nokendaina bodofotsy, notontaina vazy ny lohany

vonoina tamin’ny fomba feno habibiana ka hita faty tao an-tranony ao Amboalefoka, Anjeva Gara, ny talata teo, ny renim-pianakaviana iray 36 taona. Notontaina vazy ny lohany mialoha ny nanakendana azy tamin’ny bodofotsy…

Nampihoron-koditra! No

Valifaty sa asan-jiolahy? Nofatorana tamin’ny tadina chargeur ny tanany, notontaina vazy ny lohany, avy eo nokendaina tamin’ny bodofotsy. Tsy vitan’izay fa mbola nototo­fana lamba ihany koa. Izany ny herisetra narahina vonoan’ olona nihatra tamin’ny renim-pianakaviana iray, 36 taona, manan-janaka roa (12 sy 2 taona), ny talata alina lasa teo, tao Amboalefoka fokontany sy kaominina ambanivohitr’ Anjeva Gara. Araka ny fanazavan-drainy, R. Jean Fran­çois, tsy nisy entana very tao an-trano tamin’io fotoana io fa vola 10 tapitrisa Ar nipetraka tao amin’ny valin-drihana no lasan’ireo nahavanon-doza. Nalain’ireo jiolahy koa ny karapanondrony saingy nariany teny akaikin’ny tranony ihany. “Io vola io anefa tsy misy mahafantatra mihitsy ny toerana misy azy raha tsy izy sy ny vadiny ihany”, hoy ha­trany ny fanazavana. Nohama­fisiny fa miahiahy ho vonoan’ olona efa nomanina ny fianakaviany. Tsy nisy trano vaky tamin’io fotoana io fa vehivavy iray namany mipetraka eny Ambohidrazaka Alasora no hita niaraka taminy tamin’io fotoana io. Mpandraharaha mpanangom-bokatra legioma ka mivarotra izany any Toa­masina ny asany miaraka amin’ny vadiny. Voalaza fa mbola tany Toamasina ny vadiny ta­min’io fotoana nisian’ity vo­noan’olona mahatsiravina ity.

Mitady ny fahamarinana izahay…, hoy ny rainy

Voasambotra ny vehivavy iray sy mpiasa fito lahy, mpiasan’ity renim-pianakaviana niharam-boina ity. Voalaza fa avy nijinja vary teny Ambo-himangakely ka nitondra vary nody ireto mpiasa ireto. Ahiana ho misy ifandraisany amin’ izao raharaha izao izy ireo ka izay no antony nisamborana azy hanaovana fanadihadiana, araka ny fanazavan’ny zan­dary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza. Voa­lazan’ny fampitam-baovao hatrany fa manana olana ara-tokantrano nanomboka tamin’ ny oktobra 2022 koa ity renim-pianakaviana ity. “Iharan’ny herisetra ataom-badiny izy satria lazain’ilay rangahy vadiny fa hoe misy olona ma­nadala azy amin’ny finday”, araka ny fanazavan’ny rainy. Nanomboka tamin’izay, niharan’ny herisetra na ara-batana na ara-tsaina izy. “Tonga ha­trany amin’ny fandrahonana ho faty mihitsy izany satria efa nisy fotoana nenjehim-badiny tamin’ny antsy izy tao an-trano”, hoy ny rainy. Ha­treto, tsy mbola manameloka na iza na iza mihitsy izahay fa anjaran’ny mpanao fanadihadiana izany, araka ny nambaran’ny fianakaviany. “Mitady ny fahamarinana anefa izahay momba izao vonoan’olona feno habibiana izao”, hoy kosa izy ireo. Manahy ihany anefa ny fianakaviana amin’ ny tsindry mahazo ireo zan­dary mpanao famotorana ka hampitarazoka ny fanadihadiana. Matoky ny fahendren’ ny mpanao fanadihadiana anefa izy ireo. Nalevina any Alaro­bia Ambatomanga, omaly, ny nofo mangatsiak’ilay renim-pianakaviana niharam-boina.

Jean Claude

Partager sur: