Lavo tao anatin’ny fifanenjehana ny dahalo roa lahy anisan’ny ikoizana amin’ny halatra omby ao anatin’ny distrikan’Anjozorobe, afakomaly.
Maty tsy tra-drano ny dahalo roa nandritra ny fifandonan’izy ireo tamin’ny zandary, tao amin’ny kizo Marotsingala, fokontany Ambatonosy, kaominina ambanivohitra Ambatomanoina, distrika Anjozorobe, ny sabotsy 22 avrily teo. Ampolony ireo olon-dratsy nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ireo. Nitondra fitavaom-piadiana, raikitra ny an-kitifitra. Vokany, voa ny roa tamin’ireo dahalo. Tafaporitsaka ny namany 7 hafa. Dahalo nanakan-dalana sy nandroba fianakaviana avy nivavaka ny alin’ny 12 avrily teo ireto nifanenjehana ireto. Nanao fanadihadiana ny zandary miasa ao an-toerana ka natao ny vela-pandrika. Nahomby ny paikady napetraka ka izao rotiky ny bala izao ny roa tamin’ireo olon-dratsy.
Nahitana basy vita gasy
Nandritra io fifampitifirana io, latsaka teny amin’ireo jiolahy roa lavo ny basy vita gasy nampiasan’izy ireo. Mihazona zava-maranitra toy ny antsibe sy ny famaky, entiny hamonoana ireo olona voaroba, koa izy ireo. Tra-tehaka teny amin’ireto mirahalahy ireto koa ny telefaonina halatra izay mbola nampiasain’izy ireo. Mitohy ny fikarohana ireo namany nandositra. Marihina, tsy mionona amin’ny halatra omby sy ny fakana an-keriny intsony ireo olon-dratsy amin’izao fotoana fa mamaky trano ary mamira antsy mihitsy.
Tsiferana R.