Ankadindratombo: jiolahy tratra teo am-pamakiana trano

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Alasora (CSP) teny Anka­din­dratombo, omaly, ny jiolahy raindahiny mpamaky trano. Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy trangana halatra miharo vaky trano tamin’io fotoana io teo Ankadindratombo akai­kin’ny toeram-pivarotana fanafody iray eny By-Pass. Tsy niandry ela ny polisy fa fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ka voamarina tokoa ny fisian’ity jiolahy namaky trano ity. Tsy afa-nihetsika tao anatin’ilay trano novakiny izy tamin’ny fahatongavan’ny polisy. Nikasa hitsoaka ihany izy saingy efa voafehin’ny mpitandro filaminana ny manodidina ny trano. Mbola hita teny an-tanany ny famaky iray nampiasainy nandritra ity vaky trano ity. Araka ny fanadihadiana savaranonando, monina eny Ambatonjara, By-Pass, ity jiolahy ity fa tonga manao ny asa ratsiny eny Ankadindratombo. Nanama­fy ny polisy fa mitohy ny hetsika fampandriana fahalemana ataon’izy ireo.

Jean Claude

Partager sur: