Misaona tanteraka ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy, indrindra ny taranja Bodybuilding. Nodimandry, teo amin’ny faha-43 taonany, ny sabotsy 22 avrily lasa teo, Randrianarimanana John Mario, fantatry ny maro tamin’ny anarana hoe Bigman. Miangaly ny taranja bodybuilding izy ary tsisy tsy nahalala azy teo amin’ity taranja ity. Bokona hozatra nanana ny lazany tanteraka teto Madagasikara sy tany ivelany i Bigman. Matetika izy no nisolotena, tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja bodybuilding, izay karakarain’ny federasiona iraisam-pirenena WBF. Ny Men’s athletics physics, latsaky ny 80 kg ny tena nifaninanany. Efa nahazo ny laharana fahatelo (2021) sy laharana fahefatra (2022) tamin’izany fifaninanana goavana izany i Bigman ary eo am-panomanana tanteraka ny “Mondial 2023” izy izao nodimandry tampoka izao.
Tsy narary i Bigman fa fijanonan’ny fo tampoka no nitarika izao fahafatesany izao, raha ny fitantaran’ny olona akaiky azy. Namela mananon-tena iray sy kamboty 2 i Bigman.
Mi.Raz