Dihy ankehitriny: 25 taona ny Compagnie Rary

Nampianatra sy nanabe olona maro teo amin’ny tontolon’ny dihy. Taona 2023, mandia ny faha-25 taonany ny Compagnie Rary. Naneho ny mampiavaka azy ry zareo…

Iray amin’ireo sehatra ivelarana talenta maro eo amin’ny tontolon’ny dihy sy fianarana izany ny Com­pagnie Rary. Notanterahina, ny sabotsy 22 avrily teo, teny amin’ny kianja Maitso Ana­lamahitsy ny seho « Feo sy amponga » fankalazana ny faha-25 taonan’ity sekoly sady toeram-pikarohana momba ny tontolon’ny dihy sy ny fanabeazana ity. Anisan’ny nasongadin’i Ariry Andriamoratsi­resy, mpanorina ny Com­pagnie Rary ny maha zava-dehibe ny fahaizana mano­ratra ny dihy. « Iny 25 taona nolalovana iny no namolavolana ny teknika fanoratana dihy », hoy izy.
Nohamafisiny fa mbola vitsy ihany ny mahay manoratra dihy. « Hafa mihitsy ilay dihy soratana satria ipoiran’ny famakafakana sy fijerena ifotony (analyse) raha hoarina amin’ny dihy alaina amin’ny « vidéo », hoy hatrany izy. Izay mianatra ao amin’ny Rary, tokony hahay manoratra, raha ny fanazavany ha­trany. Tanjona ny hampita io teknika sy fomba fanoratra ny dihy io, amin’izao hidirana amin’ny 25 taona manaraka izao.

An’arivony maro ny mpianatra nandalo tao

Fantatra fa nandritra izay 25 taona niorenan’ny Com­pagnie Rary izay, an’arivony maro ireo mpianatra nandalo sy nianatra ary nandalina momba ny tontolon’ny dihy tao. Napetraka hatrany ny maha fitaizana ny dihy sy izay mifamatotra aminy. Tia sy manana fikirizana, mahay mamorona, sns. Tia mamo­rona sy mahatana hatrany ny fikirizana ny mpianatra tsi­rairay.
Raha ny fanazavan’i Ariry Andriamiratsiresy rahateo, « sady fitaizam-batana, mikajy ny rafi-batana no ahafahana maneho sy mamoaka ny maha izy ny tena (improvisation) ny dihy ». Fantatra fa azo atao ny mivelona amin’ny dihy. Raha te ho lasa lavitra amin’izany, ny famarotana ny asa any ivelany no tsara kokoa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: