Maromaro ny antony mahatonga ny ankizy any ambanivohitra tsy mahatody hatramin’ny kilasy T5 dia miala an-daharana.
Voalohany ny tsy fahampian-tsakafo ka miantehitra amin’ny sakafo zaraina any an-dakilasy ny mpianatra isan’andro. Eo koa ny fahalaviran’ny toeram-pianarana ka voatery mandeha an-tongotra maharitra na miditra kaominina mihitsy rehefa miakatra ny ambaratonga (CEG na Lycée). Ny fanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fambolena, ny faharatsian’ny fotodrafitrasa no mampalaina azy ireo hamonjy sekoly. Ho fanampiana ny mpianatra any amin’ny toerana saro-dalana, nanorina sekoly ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, hahavitan’izy ireo farafaharatsiny ny kilasy T5 sy ny fahazoana ny mari-pahaizana CEPE.
Ao anatin’ny tetikasa tohana ho an’ny fanabeazana fototra (Paeb) ny fananganana efitranon-tsekoly, nanokanana vola mitentina 21,8 tapitrisa dolara. Noraisina manokana ny Cisco ambany ny tahan’ny mpianatra mahatody hatramin’ny kilasy T5 sady vita amin’ny akora misy ao an-toerana ihany ny efitrano fianarana (satrana, falafa, hazo…) hanorenana fotodrafitrasa vaovao. Mamatsy vola ny fanorenana ny banky iraisam-pirenena mandritra ny dimy taona ka efa amin’ny andiany faharoa ny fananganana amin’ izao fotoana izao. 800 ny efitrano hatsangana ka efa vita tanteraka ny 400 ho an’ny andiany voalohany. Eo andalam-pamaranana ny 200 ary hiroso amin’ny fanaovana antso tolo-bidy ho an’ny efitrano 200 ambiny ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. 27 000 ny efitranon-tsekoly mandray mpianatra eny amin’ ny ambaratonga voalohany nefa ny 50% ihany no manaraka ny fenitra.
Nohamoraina ny fepetran’ ny tolo-bidy
“Ho fanampiana ireo mpandraharaha liana amin’ ny antso tolo-bidy fanorenana sekoly, nametraka fepetra fanamorana ny fanatanterahana ny asa ny tomponandraikitra”, hoy ny manam-pahaizana amin’ny fanorenana fotodrafitrasa an-tsekoly, Raomba Jocelyn, ny herinandro lasa teo, teny Mahamasina. Toerana amin’ny distrika 10 lavitra sy saro-dalana (Betroka, Maintirano, Midongy Atsimo, Marolambo, Iakora…) avokoa no hametrahana ny efitrano 200 ka mety malaina ny mpandraharaha. Ny volana jolay no tombanana hanombohana ny asa fananganana ny efitrano 200 amin’ny Cisco 10 ary anisan’ny fepetra vaovao ny fanekena ny fotoana rehetra ilain’ny mpanorina hamitana ny asa tanteraka. Omena tanteraka ny Farimbon’ezaka ho an’ny fampandrosoana ny fanabeazana ifotony (Feffi) ny fitantanana ny vola hanorenana sy ny fanampiana ny orinasa amin’ny fananganana eny ifotony. Efa nahazo fiofanana rahateo izy ireo ka hametraka ny antso tolo-bidy ho an’ny mpandraharaha eny ifotony amin’ny fananganana efitrano sekoly. Hikojakoja y fotodrafitrasa koa ny mpikambana amin’ny Feffi rehefa vita ny efitrano hampateza azy. Maharitra 50 taona, mahazaka rivodoza sy horohoron-tany ny efitranon-tsekoly vaovao rehetra anatin’ ny tetikasa Paeb, hoy ny mpiandraikitra ny tetikasa, Sendradilifera Masombonjy. Misy latabatra sy seza avokoa ny efitrano rehefa vita ary manana toeram-pivoahana sy fahazoana rano madio fisotro.
Vonjy