«Journée mondiale du Sport»: niavaka ny fankalazana tetsy Analakely

Niavaka ny fankalazana tamin’ity taona ity ary maro ny liana tamin’izany. Mano­didina ny 3000 mahery ny tonga nanotrona, misy avy amin’ny fikambanana samihafa, ASIEF, MJS, federasiona ary ireo olon-tsotra. Na­natanteraka hazakazaka nanodina ny Lapan’ny Ta­nàna ireo mpandray anjara, avy eo niaraka nandihy sy nampihetsi-batana. Kara­za­na dihy maro no nifanesy toy ny zumba, fit fight, danse de salon, danse sportive, dan­se orientale, danse africaine sy ny maro hafa. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena, notarihan’ny filohany, Randrianarisoa Rija­manitra.

“Tratra ny tanjona, afaka niaraka nanao fanatanjahantena ny rehetra”, hoy ny nambaran’ny Tale jeneralin’ny spaoro, eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rakotozafy Ro­sa. Hahafahana miady amin’ny aretina sy manampy amin’ny fahasalamana, hoy izy, ny fampihetseham-batana. Tsiahi­vi­na fa fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena sy ny OMS (Organisation mon­diale de la santé) ity hetsika ity ary tohanan’ireo mpi­ara miombon’antoka marobe, toy ny kaominina Antana­narivo Renivohitra sy ny orinasa Telma, mpanohana voalohany ny fanatanjahantena.
Nambaran’ny mpikarakara fa mbola hisy ny hetsika ho an’ny faritra. Hamaly ny fangatahan’ny maro ihany koa ny MJS ka hatao matetika ny fiarahana manatanja-tena toy izao.

Mi.Raz

Partager sur: