Indray mipi-maso dia any amin’ny varotsimifody ireto telo lahy, mpitondra moto. Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina roa samy hafa no nahafaty azy ireo, ny faran’ ny herinandro teo.
Hatairana, ranomaso, hiakiakia, tabataba… Izany no nitsenan’ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ireo roa lahy matin’ ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra Ambodifasina. Tovolahy roa (mbola ao anatin’ny fahatanorany mihitsy satria 26 sy 27 taona) nanao taingin-droa tamin’ny bemoto, marika Yamaha (matanjaka sady manana kodiarana lehibe), ireto niharan-doza tamin’ny sabotsy ireto. Avy any Tsarasaotra hihazo ny lalana mankany Ivato izy roa lahy ireto. Tafapitika niaraka tamin’ny moto tany anaty rano amin’ny sisin-dalana ireo niharam-boina.
Nahazo loharanom-baovao tamina olona iray nandalo tamin’iny lalana iny ny zandary fa misy lehilahy roa hita faty miaraka amina moto iray ao anaty rano eo Ambodifasina. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny dokotera nanao ny fanamarinana rehetra ka voamarina ny fisian’
ity lozam-pifamoivoina ity. “Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay amin’izao fa raha ny fanadihadiana savaranonando natao, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Matanjaka be rahateo koa ilay moto nentin’ireto roa lahy ireto ka misy hifandraisany amin’izany izao loza izao”, hoy ny fanazavan’ny zandary.
Tranga hafa…
Nanamafy izany koa ny fitantaran’ny olona iray nahita maso ny fitrangan’ny loza, “nandeha mafy ireto roa lahy ireto ka nifatratra tamin’ny takela-bato fametrahana dokam-barotra. Tsy tafajanona teo fa mbola nentin’ny moto nitsoraka tany anaty rano izy roa lahy”. Nifanome tanana tamin’ny zandary nampiakatra ny razana avy ao anaty rano ireo mponina teny amin’ny manodidina.
Fa lehilahy iray nandeha moto koa no notrongisin’ny fiara 4×4 iray teny Andraharo, ny sabotsy alina teo. Mafy ny dona nahazo azy ka nifatratra tamin’ny fiara taxi iray teo alohany. Tafapitika avy eny ambony moto ity lehilahy ity ka ny lohany no nifatratra tamin’ ny arabe. Nandriaka ny ra, maty tsy tra-drano ihany koa izy. Potipotika ihany koa ilay moto nentiny. Nahitana fahasimbana ihany koa ireo fiara nifandona taminy. Mandeha ny fanadihadiana ataon’ ny polisy momba ity loza ity. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany fa tampoka ny fihavian’ny loza. Tsy vao izao fa hatramin’ny nisokafan’iny lalam-baovao Tsarasaotra iny, efa maro ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandehanana mafy na moto io na fiara. Manararaotra mampiakatra ny hafainganam-pandeha rahateo ireo mpampiasa lalana satria malalaka ny lalana, kanefa ny patsa iray tsy omby vava rehefa ho avy ny loza.
J.C