Natomboka tamin’ny fambolen-kazo: 15 taona ny fikambanan’ny mpanao gazety Toamasina

Nisokatra ny 21 avrily lasa teo, tamin’ny fambolena zanakazo, teo anoloan’ny Crjs sy CEG Ratsimilaho sy fitokanana tsangambato manamarika ny tsingerintaona faha-15 taona niorenan’ny fikamba­nan’ny mpanao gazety Toa­masina (A.J.T).

Nitarika ny hetsika ny filohany, Sabotsy José, izay solontena maharitry ny gazety Taratra ao Toama­sina. Nisy
ny fanentanana hi­tsirihan’ny olom-pirenena ny anarany anatin’ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany. Teo ihany koa ny fanentanana ny tsirairay hanohy ny fiarovan-tena momba ny ady amin’ny Covid-19. Nomari­hin’ny filohan’ny fikambanana fa manana andraikitra amin’ny fanamaitsoana an’i Madagasi­kara, indrindra ny fametrahana an’ i Toamasina ho kaominina am­bonivohitra maitso sy madio ary maha te-honina.

Nampiavaka ny fambolen-kazo ny fisian’ny zanaka Bao­bab, niainga tamin’ny vatomamy voana baobab no nentina avy any Mahajanga ny taona 2017. Ankoatra ny zanaka Bao­bab, namboly palmier royal miisa 22 ihany koa ny mpanao gazety ary notronin’ ny olom-panjakana maro. Ny volana oktobra kosa ny fanakatonana ny fankalazana. He­tsika maro no mbola hanamarihana izany.

Sajo

Partager sur: