Ny atao ihany no hampikorontana na tsia

Izay mitranga sy atao rehetra amin’izao, heverina sy tom­banana ho misy antony sy dika ary vokatra politika avokoa. Tandindomin’ny fifidianana? Mandeha avokoa ny kajikajy sy paipaika politika rehetra izao; eny, na samy tsy mbola nisy nanambara ampahibemaso na tamin’ny fomba ofisialy ny firotsahan-kofidiny ho filohan’ny Repoblika aza ny ankama­roan’izay fantatra izao fa ho vonona hiatrika izany. Na manana kandidà hatolotra sy hotohanana ahay… Raha tsy izany ve hirotsaka amin’ny hetsika politika etsy sy eroa amin’ izao? Famelomana antoko, fenentanana vahoaka…. Amin’ izao ankatoky ny fifidianana izao vao tena mikoropaka amin’ izany ny maro?
Tsy misy fiovana firy fa izay ilay fomba fanaovana politika. Tsy fitaizana sy fandresen-dahatra vahoaka loatra amin’izay raharaham-pirenena, fa hazakazaka sy fifaninanana amin’ny fitanana na fakana fahefam-panjakana. Tsy mahagaga raha saika fifandroritana sy ady saritaka hatrany ny mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Izay ilay hoe korontana politika ahina sy atahoran’ny sasany lava, anomanan-tsaina ny vahoaka, efa mila hahaza-dratsy ny sasany aza. Nefa ny atao ihany no mety hisian’ny korontana politika na tsia, fa tsy tongatonga ho azy amin’izao na noho ny kisendrasendra. Mby amin’ny hoe ny ataon’ny tena ihany no mahasoa na maha­ratsy.
Saingy na inona na ahoana ataon’ny mpanao politika, ny vahoaka ihany no tompon’ny teny farany. Tsy azo itompoana teny fantatra amin’izany izy: na hianjera amin’ny korontana, rehefa tsy voalamina any an-dapa ny ady; na hiroso amim-pilaminana sy amim-pahatokian-tena amin’ny fifidianana. Nefa vahoaka toy inona na manao ahoana izay hoe tompon’ny teny farany izany, na inona na ahoana ataon’ny mpanao politika? Izay no maha zava-dehibe ny fitaizana sy fanaja­riana olom-pirenena mandavantaona, fa tsy ankatoky ny fifi­dia­nana toy izao hatrany vao ikoropahana noho ny fahalia­nana amin’ny hazakazaka fahefana. Hany ka lasa fisavori­tahana ny raharaha?
Sempotra sy tsy afa-manoatra amin’ny fiatrehana fiainana andavanandro ao anaty fahasahiranan-dava ny vahoaka.
Tsy miraika firy amin’izay politika? Na ny politika aza no anisan’ny mahatonga sy mampitombo ny fahasahiranana efa ho lava… Aiza ho aiza ny mpanao politika amin’izany rehetra izany? Indrindra amin’izao fiatrehana fifidianana izao… Ny ataon’ny tena ihany no mety hampisy korontana na tsia, mahasoa na maharatsy…

R. Nd.

Partager sur: