Rugby – « XXL Top 20 » : lavon’ny FTM ny Uscar

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Ma­kis Andohatapenaka, ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 20 », taranja rugby. Lavon’ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 40 no ho 24, ny Uscar. Raha hiverenana ny lalao, hita nifandanja tsara ny fifanandrinan’ny roa tonta. Porofon’izany, tsy nahitana “essaie” nandritra ny 26 minitra nilalaovana teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, saingy nahatafiditra fitsarana CCP avy ny roa tonta, teo amin’ny minitra faha-9 ny an’ny kaominina raha toa ka ny minitra faha-25 ny an’i Man­ja­karay.

Taorian’io, taitra tamin’ny torimasony ny FTM ka nanatitra baolina nentin-tanana Rayves, ny minitra faha-33, ary voatsara izany ka lasa 10 ny isa ho an’ny FTM. Niezaka nanohitra avy hatrany ny mpilalaon’ny CUA, ka nahita CCP, nodakain’i Solo, ny minitra faha-38. Hany ka 10 no ho 8 ny isa nentina niala sasatra.

Teo amin’ny fidirana faharoa, nampiseho ny heriny tanteraka ny FTM, anisan’izany ny baolina nentin-tanana na­taon-dry Lahatra sy Koroka ary Mickael na i DJ. Araka izany, nisaraka tamin’ny isa 40 no ho 24 ny roa tonta, nahazo fandresena ny ekipan’ny Manjakaray.
Marihina fa tsy mbola lavo mihitsy ny FTM Manja­karay nandritra ny lalao efatra nataony tamin’ity fifaninanana ity.

Tafavoaka tamin’ny moka fohy ny SCB

Ankoatra izay, anisan’ireo lalao tena niady ny fihaonana teo amin’ny SCB Besarety sy ny Mang’Art Manjakaray. Nisaraka tamin’ny moka fohy, 39 no ho 38, ny mpilalaon’i Besarety. Nanana fanantenana ny handresy ny mpilalaon’i Manjakaray, saingy “Essaie non transformée” ny baolina nentin-tanana nataon’izy ireo, ka azon’ny SCB ny fandresena.

Fitia (Mpianatra asa)

Ireo voka-dalao rehetra :
3 FAI (24) vs (22) FTAT
JSTA (20) vs (23) UASC
SCB (39) vs (38) Mang’Art
FTM (40) vs (24) Uscar

Partager sur: