Tapitra teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny dian’ny Makis de Madagascar, sokajy U20 eo amin’ny fiadiana ny «Trophy Barthès 2023 ». Nosakanan’i Tunisie ny lalan’ny Malagasy.
Niondrika teo anatrehan’i Tunisie, tamin’ny isa mazava 50 no ho 10 ny Makis de Madagascar sokajy zandriny U20, teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, niadiana ny “Trophy Barthès”. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Nyayo Stadium Kenya, ny sabotsy lasa teo. Voa teo amin’ny haben’ny vatana ny Makis. Sahirana ry Larkham sy ny namany nanakana ireo Tonizianina. Makis efatra vao mahazera mpilalao iray. Vokany, maty mi-“charge” fotsiny ny Makis, mandra-pahatapitry ny lalao.
Na izany aza, nahatsindry baolina nentin-tanana roa ihany ny Makis de Madagascar. Tapitra hatreo izany ny lalao ho an’ny Makis de Madagascar.
Ho an’ny vehivavy indray, niatrika ny lalao ampahefa-dalana ihany koa ny Makis, ho an’ny rugby lalaovina olona 7, eo amin’ny fiadiana ny “Sevens challenger series”. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Markotter Stadium Afrika Atsimo. Niondrika teo anatrehan’i Pologne, tamin’ny isa 19 no ho 5, ny tovovavy malagasy. Tsy mbola tapitra akory ny fihaonana ho azy ireo, fa mbola hiatrika ny dingana faharoa, hatao ny 28 – 30 avrily ho avy izao, eo amin’ity “Sevens challenger series” ity.
Tompondaka