Teo am-pikasana hanao fanafihana mitam-piadiana, lavon’ny polisy ny jiolahy iray tetsy 67 ha Atsimo, omaly atoandro. Tafaporitsaka ny namany iray hafa.
Nirefodrefotra ny basy tetsy 67 ha Atsimo akaikin’ny parking, omaly atoandro. Jiolahy roa nitondra basy no nifanenjehan’ny mpitandro filaminana. Araka ny nambaran’ny nanatri-maso, nitondra moto fotsy ireto olon-dratsy ireto. Nanenjika azy ireo ny polisy. “Nitifitra ireo jiolahy ka namaly ny polisy”, hoy ny mpiandry fiara tsy lavitra teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza. Nitsambikina ny fefin’ny “parking” tsy lavitra teo ilay jiolahy iray ka tafaporitsaka. Raikitra ny fifanenjehana saingy mbola tsy hita io namany io.
Hanafika mpamongady
Noho ny fisian’ny polisy mpanao fisafoana eny an-toerana, tsikaritra noho ny fihetsiny hafahafa ireto jiolahy roa lahy ireto. Efa nanomana paikady entina handrobana ny toeram-pivarotana lehibe iray eny amin’ny manodidina ireto jiolahy ireto. Narahin’ny polisy akaiky izy ireo. Nanao tongotra an-katoka anefa izy mirahalahy. Nasain’ny mpitandro filaminana nijanona saingy nanda izy ireo. Nifampitifitra tamin’ireo mpanara-dia azy ireto jiolahy ireto ka izao lavo izao.
Tsy milamina
Araka ny nambaran’ny mpiambina fiara eny 67 ha Atsimo, tsy milamina intsony ny fandriampahalemana eny an-toerana. “Matetika itrangana sinto-mahery sy fanendahana ety”, hoy izy ireo. Darohan’ny fokonolona sy ireo mahasambotra azy avy hatrany ireo tontakely tratra. Tsiahivina, vao ny faran’ny herinandro teo no nahafatesana jiolahy raindahiny iray tetsy Andavamamba. Mitohy ny famongoran’ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy.
Tsiferana R.