Namoaka didy ny kaominina Ambohimanambola fa mihatra ny « couvre-feu » na tsy fahafahana mivezivezy mandritra ny fotoana voafetra, nanomboka omaly. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany noho ny tsy fandriampahalemana nisesy tao an-toerana.
Tsy azo atao, araka izany, ny mivezivezy ao anatin’ny kaominina Ambohimanambola manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina. Ireo izay tsy maintsy mivoaka, noho ny antony maika toy ny mitondra marary na misy hamehana, dia tsy maintsy mitondra karapanondro avokoa.
Ireo mpiasa miasa amin’ ny alina kosa dia tsy maintsy mitondra ny karatra maha mpiasa azy avy amin’ny orinasa iasany. Ny toerana fisotroan-toaka sy ny fanaovana karaoke dia tsy maintsy mikatona manomboka amin’ny 9 ora alina. Ny lanonana rehetra ihany koa dia foana sy tsy azo atao. Manan-kery mandritra ny fotoana tsy voafetra ny didy navoakan’ny kaominina.
Mandry andriranantsy ny mponina satria matetika ny fanafihana nihatra tamin’ireo mponina. Maromaro ny tranga tsy fandriampahalemana niteraka tahotra sy horohoro ka tsy maintsy nandraisana fandaminana tahaka izao.
Tatiana A