Natolotra ny fampanoavana, omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray tratra teo am-pivarotana cocaïne, teny amin’iny faritra 67 ha sy ny manodidina iny. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina Anosy, ny alakamisy teo, izy. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika eto an-drenivohitra, nametraka paikady manokana ny polisy amin’ny famongorana sy fiatrehana izany. Nahitam-bokany izany, lehilahy iray tratran’ny polisy nanao fanamiana sivily tamin’io fotoana, io teny 67 ha, niaraka tamin’ny zava-mahadomelina mahery vaika. Tao an-tranony izy ka nikasa hivoaka hivarotra ireo cocaïne no nifanehatra tampoka tamin’ny polisy. Niroso tamin’ny fisavana azy avy hatrany, cocaïne milanja 0,23 grama niaraka tamin’ny mizana kely fandanjana no hita tao an-tranony. Nentina nanaovana famotorana teny amin’ny biraon’ny polisy izy. Nandritra izany no nahafantarana fa ireo olona eo amin’ny manodidina ihany no mpanjifa sy mpividy ao aminy. Tsy vao izao fa efa hatry ny ela izy no nanao ity asa fivarotana zava-mahadomelina ity, araka ny nambarany.
Jean Claude