Basikety-Analamanga : hohamafisina ny fanajana ny fitsipika

Nanokatra ofisialy ny taom-pikatrohana 2023, teny Ankatso, ny sabotsy lasa teo, ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Nisy ny filatroana nataon’ny klioba rehetra mandrafitra ny ligy nanombohana izany ary nitohy tamin’ny lalao. Hanome ny tsara kokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny ligin’Analamanga amin’ity taona 2023 ity, izay nanambara fa hohamafisina ny fanajana ny fitsipika izay fototra ijo­roan’ny taranja iray. “Ho hentitra ary handray ny fepetra henjana ho an’izay minia mandika ny lalàna izahay, indrindra ny fangalaran-taona”, hoy ny nohamafisin’ny filohan’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, Andriatsima Hery. “Handraisana fepetra toy izany koa ireo mpikarakara hetsika ivelan’ny rafitra federaly”, hoy hatrany ny fanazavany. Hikarakara hetsika basikety ho an’ny Lycée sy Oniversite ny ligy izay hatao manara-dalàna tsara.
Hiezaka hanatsara hatrany fotodrafitrasa ny ligy, kanefa kosa miangavy ireo mpisompatra mba hanaja sy hikolokolo ireo fitaovana apetraka. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny toeram-pampianarana Paul Minault eny Androhibe, hananganana ivontoerana hilalaovana basikety ato ho ato. Ankoatra izay, hanohy ny fampiofanana mpitsara sy mpanazatra ihany koa ny ligin’Analamanga hampiroboroboana ny basikety.
Anisan’ny noresahan’ity filohan’ny ligy ity ny mahakasika ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny “World Cup” 2023. “Hanome Tanana ny federasiona amin’ny fanomanana ireo fifaninanana goavana ireo ny ligin’Analamanga”, hoy izy.

Mi.Raz

Partager sur: