Distrikan’i Vangaindrano : fianakaviana manodidina ny 1 000 hotohanana ara-tsakafo

Sahirana amin’ny sakafo ny mponina ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Hidina any an-toerana ny ekipan’ny BNGRC hitondra vary hamonjena azy ireo.

Hanainga amin’ny he­rinandro ambony ny fiara hitondra sakafo ho an’ireo fianakaviana tratran’ny hanoanana ao amin’ ny distrikan’i Vangaindra­no, araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier, omaly, teny Ambo­divona. Tombanana ho fianakaviana 1 000, ahitana olona 5 000 eo ho eo, no mila tohana haingana hisorohana ny fahafatesana vokatry ny hanoanana. Vary aloha no tena sakafo ilain’izy ireo hitazonana ny aina fa ny kojakoja hafa hojerena arakaraka ny hoenti-manana eo an-tanana ihany. Tsy ha­havita taona ny fanampiana fa famonjena vonjimaika ka haraha-maso ny fivoaran’ny zava-misy any an-toerana. Araka ny fanadihadiana, tsy mbola nisy aina nafoy vokatry ny hanoanana tany amin’ny distrikan’i Vangaindra­no fa tao amin’ny distrikan’i Manakara no efa nisy zaza maty vokatry ny fihinanana viovio, izay tsy tokony hatao sakafo mihitsy. Manana Atlas de risque ahitana amin’ny antsipiriany isaky ny kaominina ny BNGRC, izay fitaovana enti-miasa hamantarana ny isan’ny mponina.
Midina eny ifotony mizara ny fanampiana ho an’ny fianakaviana mpisitraka mi­hitsy ny ekipan’ny BNGRC na any amin’ny toerana saro-dalana aza. Matetika ny solombavambahoaka no mi­tatitra ny zava-misy any amin’ny distrika misy azy avy ka midina manao fanamarinana ny ekipan’ny BNGRC mialoha ny hitondrana ny tohana.
Mamely ny hanoanana any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Fitovinany… ka efa manao ny lamina hitondrana vonjy aina ny BNGRC. Nahazo rotsakorana kosa ny any amin’ny faritra Atsimo sy Androy ka manana vokatra ny vahoaka.

Vonjy A.

Partager sur: