Mila ovaina ny hatramin’ izay ! Notsorin’ny Dr. Rabemananjara Alexis fa mila trandrahana ny harena voajanahary mba hitondra fampandrosoana any Toliara. Dokotera mpitsabo ny ankizy, misotro ronono, izy sady sojaben’ny mpandraharaha ara-toekarena any an-toerana. Mila ahodina eo an-toerana ny harena ambanin’ny tany, satria mba mahazo tombontsoa koa ny mponina izay efa tena mahantra. Misehatra amin’ny fambolena ity dokotera ity ankehitriny. Mamokatra spiruline, siramamy biolojika (ho an’ny olona misy diabeta), artemezia, ilomenaka avy amin’ny katrafay ary sakay. Ahodiny atao anaty fonosana, na vovony, na menaka., sns.
Mankasitraka ny Base Toliara
Tsapan’ny Dr. Rabemananjara Alexis fa anisan’ny sakana tsy mampandroso any Atsimo Andrefana ny tsy fisian’ny fampiasam-bola. Satria mila fotodrafitrasa vaventy, toy ny fandavahan-drano hanondrahana ny lemaka, raha raisina ny famokarana spiruline, ohatra. Manana andraikitra goavana amin’izany ny sehatra tsy miankina.
Ankasitrahany ny fitrandrahana fasimainty any Ranobe Toliara II. « Mila atao faran’izay haingana io. Efa hita ny fandrosoana ataon’ny QMM any Taolagnaro. Ampahan’olona mangataka ny anjarany ireny nanao grevy ireny », hoy ihany izy. Notanisainy koa ny harena hafa toy ny aritany any Sakoa, ny entona gazy any Mahaboaboka Sakaraha sy Vatolatsaka, ny fanatsarana ny fitrandrahana safira sy labradorita any Atsimo.
Njaka A.