Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny atrikasa mahakasika ny fanoratana, karakarain’ny Academie Nationale des Arts et de la Culture , ANAC, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Atrikasa natao ho an’ny mpanoratra sy ny maniry hiditra eo amin’ny sehatry ny fanoratana izy ity. Ralantoaritsimba Nirina, mpanoratra sy manam-pahaizana manokana momba ny literatiora, no hampianatra sy hitondra ny fahaiza-manaony amin’izany.
Famerenan-kasina sy fampiroboroboana ny literatiora malagasy no tanjona ao anatin’izao hetsika izao. “Maro ny mpanatalenta eo amin’ny fanoratana, indrindra ny tanora. Izy ireny, araka izany, no ho avin’ny literatiora malagasy ka tokony homena ny fiofanana sahaza izany”, hoy ny Tomponandraikitry ny atrikasa. Kendrena ao anatin’izao atrikasa izao ihany koa ny efa mpanoratra, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra ihany. “Manabe sy mitaiza ny asa soratra ka tena saropady be. Izany no ilaina fahafehezana sy fahalalana fa tsy vitan’ny fananana talenta fotsiny ihany”, hoy Ralantoaritsimba Nirina.
Manomboka any amin’ny famoronana ka hatrany amin’ny famoahana ny asa soratra no hampianarina sy hampahafantarina mandritra izao atrikasa izao. Raha ny mahakasika an-dRalantoaritsimba Nirina, anisan’ny nahafantarana azy ny boky navoakany farany nitondra ny lohateny hoe “Nous sommes les ancêtres de ceux qui ne sont pas encore nés”. Teo ihany koa ny efa nandrombahany ny amboara maro teo amin’ny sehatry ny literatiora. Ankoatran’ny fanoratana, misehatra eo amin’ny famokarana horonantsary ihany koa Ralantoaritsimba Nirina.
Ankoatran’ny eto Antananarivo, handray izany atrikasa izany ihany koa ny any Antsirabe sy Ambositra ary Fianarantsoa. Maimaimpoana tanteraka ny fiatrehana ny atrikasa saingy izay misoratra anarana mialoha ihany no afaka miatrika izany.
Lin (Mpianatra asa)