Raha tsy misy ny fiovana, ho fantatra amin’ity herinandro ity ny anaran’izay ho mpanazatra ny Barea de Madagascar “A”. Efa manao fakan-kevitra etsy sy eroa ny ao amin’ny Federasiona malagasy (FMF), ny amin’izay handimby an’i Nicolas Dupuis, nametra-pialana noho ny tsy fahombiazana.
Sahiran-tsaina ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) mitady izay ho mpanazatra mahafeno ny fepetra hitondra ny Barea de Madagascar “A” amin’izao fotoana izao. Mipetraka amin’ireo mpitantana ny fanontaniana na hatao vazaha ihany na haverina amin’ ny Malagasy ny fanazarana ny ekipam-pirenena, amin’ity.
Raha haka teratany vahiny, iza no mpanazatra malalaka amin’izao fotoana izao. Mba ho olona ampy traikefa sy voky fifaninanana iraisam-pirenena. Etsy ankilany, mbola baraingo ny ho karamany satria raha mpanazatra efa manana ny lazany, tsy maintsy ho lafo ny sarany sy ny zavatra takiny. Raha hizotra any amin’izay lalana izay ny federasiona, tsy maintsy mitodika any amin’ny fanjakana amin’ny fandoavana ny karamany.
Homena fitokisana ny Malagasy
Vahaolana faharoa, ny hanomezana fitokisana ny mpanazatra malagasy ka homena ho an’izay ho voatendry eo izay volabe tokony hanaramana vazaha. Efa betsaka rahateo ireo manana ny mari-pahaizana afaka mitondra ekipam-pirenena. Na eo aza izany, betsaka tamin’izy ireo koa ny efa nanazatra ny Barea saingy tsy nahitana vokatra, afa-tsy ny Barea “Chan 2023”.
Tsy ho mpanazatra baikoin’ny atsy na ny aroa fa tena mijoro amin’ny heviny sy ny safidiny ary vonona ho tompon’antoka sy ho tompon’andraikitra amin’izay ho vokatry ny lalao ataony eo. Tsy olana na vazaha na Malagasy fa ny fanirian’ny rehetra dia mba ho mpanazatra mahafantatra tsara ireo mpilalao avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Afaka mampifandray ny roa tonta fa tsy hametraka elanelana. Olona to teny sy mahay mifandray amin’ny rehetra, ary afaka mamaha ny olana mety hisy eo amin’ny samy mpilalao na eo amin’ireo teknisianina na eo amin’ireo mpitantana.
Tompondaka