Fihaonana: Jiro sy rano ho an’ny kaominina

Nahitam-bokany sahady ny dian’ny filohan’ny Antenimi­eran-doholona (PS) tany La Réunion sy Frantsa farany teo. Nivaly ny fangatahan’ny ben’ny Tanàn’i Fihaonana, distrika Ankazobe, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ity andrim-panjakana ity sy ny mpiara-miombon’antoka iray atsy La Réu­nion, hamatsiana jiro sy rano fisotro ity kaominina ity.
Tonga tany an-toerana ny zoma 21 avrily teo, ny filohan’ny PS, Razafimahefa Herima­nana niaraka tamin’i Alain Orriols, filohan’ny orinasa Solar Plexus any La Réunion, sady nisolo tena an-dRtoa Nas­simah Dindar, loholona frantsay any an-toerana, sy ny filohan’ny vondrona fifankatiavana Frantsa-Madagasikara ihany koa. Hapetraka ny foibe avy amin’ny masoandro ha­ma­tsiana jiro ny isan-tokantrano sy ny lalankely. Avy amin’io jiro ihany koa no hampandehanana indray ny famatsian-drano, toy ny lava-drano sy ny siniben-drano, efa tsy niasa an-taona maro. Hampandeha ny fitahirizana fanafody sy ny vakisiny ao amin’ny CSB II Fihaonana koa ireo. Maro ny tetikasa hataon’ny Solar Plexus eto Madagasikara.

Njaka A.

Partager sur: