Mahatratra 5500 ireo ankizy sahirana raisin’ny fikambanana Malaza ny Gasy an-tanana manerana ny Nosy. Mahatratra 250 ireo mpanabe mampianatra azy ireo. Manampy sy mampianatra ireo ankizy sy tanora sahirana manerana ny Nosy, indrindra ny ankizy kere any amin’ny faritra Atsimo ny fikambanana, amin’ny alalan’ny “Ecole de la chance”.
“Mbola misedra olana ny ankizy kere any amin’ny faritra Atsimo satria tsy ampy sakafo, rano, toeram-pianarana… ny ankamaroan’izy ireny”, hoy ny tale mpanampy eo anivon’ny fikambanana Malaza ny Gasy, Angelo. Manoloana izany, mikarakara hetsika “Fampisehoana tarika NyAinga” ny fikambanana, ny 30 avrily ho avy izao. Mba hanampiana ireo ankizy kere. Tanjona ny hahafahan’ny ankizy misitraka fanabeazana feno toy ny ankizy rehetra manerana ny Nosy, raha ny fanazavana voaray ihany. Natokana ho an’ireo ankizy any amin’ny faritra Atsimo ny vola azo rehetra mandritra ny hetsika, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Hanamboarana trano fianarana, hividianana seza, latabatra, fitaovam-pianarana ary hampidirana rano.
Mahatratra 5 ireo akany any amin’ny faritra Atsimo: Akany Valisoa Anketraka, Longosoa Ampasy Toliara, Fiadanantsoa Anketraka, Nahodasoa Amatara ary Akany Marosoa Morafotsy. Ahitana Akany Malaza ny Gasy iray ihany koa eto Antananarivo. Marihina fa niforona tamin’ny 2002 ny fikambanana.
Mino (mpianatra asa)