Firenena 4 anatin’ny COI: hamafisina ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza

Manao atrikasa mandritra ny hateloana eto Mada­ga­­sikara ny firenena 4 ao anatin’ny vondron’ny ranomasimbe indianina : Mada­gasikara, Maurice, Comores ary Seychelles momba ny fanamafisana ny fahazai-miatrika sy ny fitantanana ny asa rehefa misy loza na voina aty amin’ny ranomasina indianina. Tanjon’ny fi­haonana ny fanombanana ny fandrosoan’ny fandaharanasa iraisan’ny firenena mpikambana sy ny traikefa ananan’ny tsirairay hanavaozana ny paikady ho an’ity taona ity, hoy ny fanazavan’ ny tale jeneralin’ny BNG RC, ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier, omaly. Ha­mafisina koa ny fahaiza-ma­naon’ny rafitra anatin’ny fi­renena efatra iantefan’ny tetikasa. Misy ny fifanakalozana satria samy firenena voahodidina ranomasina sy miatrika loza voajanahary matetika avokoa ireo. Rehe­fa vita ny atrikasa, handray zavatra marobe avy amin’ny traikefan’ny mpikambana ny firenena tsirairay hanatsarany ny politika fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza.
6,65 tapitrisa euros no natokan’ny Vondrona Eoro­peanina ho an’ity tetikasa ity sy ny sehatra hafa mifandraika amin’ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro amin’ ny firenena efatra, hoy ny lehiben’ny delegasion’ny UE, Stéphanie Druguet. Toerana mahasarika mpizahatany avokoa ireo ka ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fitantanana ny loza.
Asa hatao koa ny fanamafisana ny rafitra fanairana mialoha rehefa misy loza sy ny fahafahana mamaly ny filana rehefa lasa ny loza.

Zavatra 3 lehibe
3 ny zavatra tena misongadina rehefa mitantana krizy ary tafiditra ao ny voina : fandrindrana ny asa sy ny fitaovana ampiasaina ary ny olombelona manatanteraka ny asa. Efa mihatsara isan-taona ny fitantanan’i Madagasikara ny loza sy ny tandindon-doza miaraka amin’ny BNGRC sy ny mpiray ombon’antoka.

Vonjy

Partager sur: