Anisan’ny lohany eran-tany amin’ny fitaterana an-dranomasina ny Vondrona CMA CGM, izay am-polo taona maro taty amin’ny ranomasimbe Indianina. Mihena ny asan’io orinasa io ankehitriny eto Madagasikara noho ny tsy fahampian’ny seranan-tsambo mihodina tsara, ankoatra ny any Toamasina sy Ehoala any Taolagnaro.
Amin’izao fotoana izao, mbola olom-bitsy no mahazo sitraka amin’ny fitaterana an-dranomasina nefa Nosy i Madagasikara. Koa mila havaozina sy hatsaraina manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny fitaovana any amin’ireo seranan-tsambo.
Hisian’ny fampiasana cabotage mahomby eo, ohatra, ny InfraCo Africa misahana izany sy mikojakoja ireo fitaovana samihafa.
Afaka mikojakoja ireo seranan-tsambo ny InfraCo Africa. Kendrena manokana ireo seranan-tsambo manana sehatra ara-barotra matanjaka mampifandray ny faritra maro.
Araka ny fanadihadiana ara-toekarena sy ny hamaroan’ny entam-barotra ao amin’ny seranana iray, jeren’ny InfraCo Africa, ohatra, ny hanatevenana ireo fitaovana ampiasaina sy toerana fitahirizana entana.
Ny fiantraikan’izany dia manana fitaterana an-dranomasina azo antoka ny firenena iray. Tena zava-dehibe mampihena ny vidin’entana ny seranan-tsambo miasa. Ny fahafahana mihodidina ny Nosy, manamora ny famoahana entana sy fanondranana any ivelany ireo vokatra fanondrana.