Nosy i Madagasikara. Fitaterana an-dranomasina no miantoka ny ampahany be indrindra hatramin’ny fanjanahantany amin’ny ny entam-barotra. tonga eto an-toerana. Misy ireo entam-barotra entin’ny sambo araka ny ilàna azy, misy ireo entana taterin’ny sambo ara-potoana voafaritra mialoha. Miankina amin’ny seranan-tsambo ny fitaterana.
Karazana sambo mpitondra entana maro no tonga eto an-toerana (cargo ship), ao koa ireo mpitondra solika. Araka izany, sambo mpitondra entam-barotra amin’ny endriny samihafa no miantsona eto an-toerana. Maro amin’ireo entam-barotra ireo no taterina amin’ny kaontenera. Misy orinasa mpampanofa (CMA CGM, MICTSL…) ireny kaontenera ireny, araka ny habeny (20 pieds = 33,2 m3 .40 pieds = 67,6 m3)
Betsaka ny loza voajanahary mety hitranga amin’ny fitaterana an-dranomasina. Mety fantatra mialoha ny fiavian’ny loza, ohatra, rivodoza fa mety tampoka tsy ampoizina ihany koa, toy ny fifandonana any anaty ranomasina, tsunami …
Hatramin’izao ny fitaterana an-dranomasina no mora indrindra amin’ny fitaterana rehetra no sady mahazaka entana betsaka indrindra. Tsy voafetra ny karazana entam-barotra hoentin’ny sambo. Ny lafy ratsiny, maro ny loza mety hitranga, indrindra eo am-panondranana azy, ny halatra eny amin’ny seranan-tsambo. An-tapitrisany dolara maro ny tombam-bidin’ireo entana very isan-taona sy fotoana lany ao amin’ny seranan-tsambo. Maharitra ela ny fitaterana an-dranomasina.
Misy ranomasina, saingy tsy ahitana seranan-tsambo
Antony iray mampitombo ny vidin’ny entam-barotra eto Madagasikara ny fahavitsian’ny seranan-tsambo miasa eto amin’ny Nosy. Misy entana miala any Toamasina taterina an-tanety mandalo eto Antananarivo, izay vao mianatsimo satria tsy miasa, ohatra, ny seranan-tsambo ao Manakara. Misy koa ny sambo lehibe sasany tsy afaka miantsona any Mahajanga na Toliary, noho ny tsy fahampian’ny fitaovana. Vokatr’izany, any Toamasina no miainga ny entam-barotra sasany ho any Mahajanga na Toliara. Mampitombo hatramin’ny 20 % ny masonkarena amin’ireo entana amidy ny fahavoazana any amin’ny faritra misy seranan-tsambo nefa tsy miasa na tsy afaka miasa firy.
Ilain’ny orinasa misahana ny fitaterana rehetra sy ireo mpanondrana sy mpanafatra entana ny seranan-tsambo mihodina. Azo antoka ny fitaterana an-dranomasina amin’ny maha Nosy an’i Madagasikara, mampandroso ny toekarem-pirenena. Mahasarika mpampiasa vola maro, manamora ny fandraharahana. Ankehitriny, mavesatra amin’ny orinasa maro ny fandraharahana noho ny seranan-tsambo tsy araka ny tokony ho izy, miampy ny lalana an-tanety ratsy any amin’ny faritra maro. Ny mpanjifa hatrany no mizaka izany farany.
R.Mathieu