Nifarana ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, ny andiany voalohany amin’ny “Mibala Tournament”, taranja basikety. Betsaka ny zavatra tsy nampoizina, hoy ny mpikarakara, indrindra ny fanohanan’ny mpijery izay nanome aina tanteraka ny fifaninanana. «Tsapa rehefa nanao ny fandinihana izahay fa ireo ekipa tena be mpanohana avokoa ny tonga teo amin’ny famaranana», hoy ny nambaran’ny talen’ny serasera eo anivon’ny Oniversite mpikarakara ISPM (Institut Supérieur Polytéchnique de Madagascar), Raboanary Tantely. «Niakatra isan’andro ny haavo teknikan’ireo ekipa tsirairay, izay mbola avy amin’ny mpanohana ihany no nahatonga izany», hoy hatrany ny nohamafisiny. Nisaotra ny ekipa rehetra sy ireo nanolo-tanana ity talen’ny serasera ity.
Tompondaka ny ESSCA sy ny ACEEM
Ny ESSCA teo amin’ny vehivavy, ny ACEEM teo amin’ny lehilahy no nandrombaka ny anaram-boninahitra. Tsiahivina, resin’ny ESSCA, tamin’ny isa 53 no ho 37, ny ISPM, teo amin’ny famaranana; raha isa 71 no ho 63 kosa no nanilihan’ny ACEEM an-dry zareo DEGS ka nibatan’izy ireo ny fandresena.
Tsiahivina, ho fanamarihana ny faha-30 taona nijoroan’ny ISPM ity fifaninanana “Mibala Tournament” ity ary mbola hisy ny hetsika hafa hokarakaraina. Hetsika maro, tsy voatery ho tournoi no mbola kasaina hatao, araka ny fanazavana. Mahakasika ny fiaraha-miasa amin’ny rafitra federaly indray, nambaran’ity tomponandraikitra eo anivon’ny ISPM ity fa anatin’ny fanombohana izany. Afaka hiara-kiasa ny roa tonta amin’izay fifaninanana manaraka ho avy, raha ny fanazavana hatrany.
Mi.Raz