«Manao antso avo sy mangataka amin’ny Filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, izahay, mba tsy hovaina «terrain synthétique» ny kianjan’Anosimasina fa mba hatao bozaka ihany», hoy Rakotoarisoa Jean Claude, tomponandraikitra ao amin’ny klioba XV FA, teny Ampasika, ny zoma 21 avrily lasa teo.
Nohamafisin’ity tomponandraikitra ity fa tsy mitsipaka ny tetikasa izy ireo saingy manao fangatahana tsotra ihany. Nambaran’ity lehiben’ny XV FA ity fa io kianja tokana io ihany no misy eo amin’ny tanànan’izy ireo ary hampiasain’ny rehetra. Anisan’izany ireo mpianatra manao fanabeazana ara-batana (EPS), ny klioba baolina kitra sy ny rugby manao fanazarantena. «Raha tsy misy kianja izahay, ahina hitombo ireo tanora mifoka zava-mahadomelina eny an-toerana», hoy ihany Rakotoarisoa Jean Claude.
Vonona hifampiresaka amin’ireo tomponandraikitra ny lehiben’ny klioba mba hitadiavana vahaolana amin’izany. Marihina fa nanolotra soso-kevitra ihany ry zareo ny mba hanomezana toerana malalaka ahafahana manatanteraka ny hetsika ara-panatanjahantena fanaon’izy ireo mahazatra.
Fitia (Mpianatra asa)