Sarinady Ivondro: miaramila 1 000 hanamafy ny fahaiza-manaony

Manodidina ny 1 000 ireo miaramila mandray anjara anatin’ny sarinady Ivondro 2023, izay hatao ao amin’ny faritra Atsinanana, manom­boka ny 28 avrily izao. Hi­santatra ity sarinady ity ny filatsahana an’elonaina ha­taon’ny Tafika avy anaty fiaramanidina ao Toamasina Renivohitra. “Tsy manakana ny besinimaro tsy hijery ny sarinady izany saingy iangaviana tsy hanembantsembana ireo sivily ao an-toerana”, hoy ny Jly Andriamasimanana William Marcel, ny faran’ny herinandro teo. Sarinady iraisam-pirenena 2023, mandray anjara avokoa ireo firenena mpikambana anatin’ny vaomieran’ny ranomasimbe In­dianina: Maurice, Comores, La Réunion, Seychelles ary i Madagasikara. Hanamafy ny firahalahiana eo amin’ireo Nosy mpandray anjara ny tanjona. Hakan’ny miaramila mandray anjara traikefa, anisan’ny hahazo tombony ny Tafika malagasy noho izy ireo maro anisa. Mahatratra 647 ny Tafika malagasy hisehatra amin’ity sarinady ity. Mano­di­dina ny 260 ny miaramila avy ao La Réunion hanatrika ity hetsika ara-miaramila ity. Kaomorianina ny 24 raha toa ka roa ny solontenan’i Sey­chelles.

Tsiferana R.

Partager sur: