Ravan’ny polisy tao Tsarahonena, afakomaly, ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana miharo vaky trano. Voalazan’ny polisy fa ry zalahy ireto no tompon’antoka amin’ny fanendahana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Miezaka mamerina ny fandriampahalemana ireo polisy ka miasa andro aman’alina, izao nahitam-bokany izao izany. Naharay antso avy amin’ny tompon-trano niharan’ny asa ratsy ny polisin’ny FIP Toamasina fa misy miditra ny tranon’izy ireo. Noraisim-potsiny ireo jiolahy tamin’ny fahatongavan’ny polisy.
Jean Claude