Ho tapaka manomboka rahampitso ny ampahan-dalana maro eto amin’ny kaominina Antanananarivo Renivohitra. Fiatombohany, tokanana rahampitso ny Foundation H etsy Ambatomena. Ho tapaka, noho izany, ny lalana Refotana, miainga eo amin’ny Urbania hatreo amin’ny Pharamacia Analakely, rahampitso manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Tsy azo aleha intsony koa ny lalana eo amin’ny “Imprimerie Nationale”, manomboka amin’ny 4 ora hariva. Tsy misy toeram-piantsonan’ ny fiara eny an-toerana mandritra izany. Iangaviana ireo fiara hihazo an’Anosy mba handray ny lalana Andriatsilavo (kaomisaria boriborintany voalohany). Mandray ny Araben’ny Fahaleovantena izy ireo avy eo ary mandray ny lalana mahazatra azy, raha ny fampitam-baovaon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly.
Hetsika hazakazaka
Mikarakara hetsika hazakazaka an-tongotra sy am-bisikileta ny ASIEF (Association sportive interministeriel pour l’entretien des fonctionnaires) ny 30 avrily izao, etsy Anosy. Ho tapaka, araka izany, ny ampahan-dalana “Ranaivo Jules” (Instat – Fitsarana Anosy - RNM) sy ny “lalana Rainitsarovy” (Ancien Combattant), ny “lalana Titsy” (Ambanin’Ambohitsirohitra), ny “lalana Mohamed V” (St Michel – Antanimbarinandriana-Cercle Franco-Malagasy) ary mifarana eo amin’ny fitsarana Anosy amin’io andro io. Manomboka amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 1 ora tolakandro ny fahatapahana.
Fitokanan-dalana
Hotokanana kosa ny lalana namboarina eny amin’ny faritra Mandroseza, ny alatsinainy 1 mey izao. Tapaka, noho izany, ny ampahan-dalana 21 Marsa, miainga eo amin’ny sampanana Mandroseza hatreny amin’ny sampanana Mahazoarivo amin’io fotoana io. Manomboka amin’ny 8 ora sasany – 11 ora atoandro.
Iaingaviana ireo fiara rehetra hihazo an’i Mahazoarivo sy Androndra mba handray ny “lalana Andriamanelo” (sampanana Andriamanelo), mitsofoka amin’ny lalankely manoloana ny sekoly “Bird” ka hanohy ny “lalana Razeroma” (lalana Mahazoarivo) na ny “lalana Ramilijaona” (lalana Androndra).
Mandray ny “lalana Ramilijaona” kosa ireo fiara hihazo an’Ambanidia, mitsofoka amin’ny lalana mivoaka amin’ ny lalankely “Bird”. Ary mandray ny “lalana Andriamanelo” sy ny “lalana Rainimanga Rahanamy” (Villa Berlin).
Mino (mpianatra asa)