Antenimierandoholona-Solar Plexuis: nizara traikefa ny Mompera Pedro

Nitsidika ny toby Akamasoa eny Andralanitra ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana sy Alain Orriols, filohan’ny orinasa Solar Plexuis any La Réunion, ny
24 avrily teo. Nizara ny traikefany ny Mompera Pedro, amin’ny lafiny fanorenan-trano, ny fambolen-kazo, ny asa tanana, sns.

Misy ny fiaraha-mia­san’ny Antenimie­ran­doholona sy ny Nosy La Réunion, fanohanana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Tafiditra ao anatin’izany ny fitsidihana ny toby Akamasoa Andrala­ni­tra, naorin’ny mompera Pedro, efa ho 30 taona lasa mahery izao. Tany am-boalohany, tany amin’ny tanànan’Antolojana­hary, kaominina Fihaonana, distrika Ankazobe, ny nian­dohan’ny toby Akamasoa, ma­nabe ankizy miisa 2.000, an­kehitriny. Midina any an-toerana ireo mipetraka eny Andralanitra, isaky ny zoma, mamboly hazo rehefa vanim-potoanan’ny orana, ary mikojakoja ny hazo novolena re­hefa maintany.

Mandrafitra dabilio 1.500 isan-taona

Notsidihin’ny PS sy ny mpiara–dia aminy ny toeram-pampianarana (garabola sy kolejy), ahitana mpianatra miisa 18.376. Nentaniny ny ankizy hilofo amin’ny fianarana. Nojerena koa ny fampiofanana ny vehivavy mpanao asa tanana sy ny toeram-pivarotan’izy ireo. Teo koa ny kianja mitafo, ny efitrano fianarana vaovao miisa roa an’ny kolejy. Fantatra fa ny toby ihany no mandrafitra ny dabilio ampiasaina any an-dakilasy, mahavita 1.500 isan-taona.
Nifanindry tamin’ity fo­toana ity koa ny fandraisan’ny Mompera Pedro zatovolahy avy any Nosy Varika, vao avy nahavita fiofanana tao amin’ ny Toby Akamasoa. Nanolotra fanampiana vatsin-dalana ho azy ireo ny filohan’ny Anteni­mierandoholona.

Njaka A.

Partager sur: