Eo am-piomanana amin’ny fiatrehana ny fanadinana CEPE sy BEPC ny tomponandraikitry ny fanabeazana eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tanterahina ao anatin’ny roa volana fahadimy ny andrana ho an’ny fanadinam-panjakana roa.
Telo ny CEPE andrana karakarain’ny Cisco Avaradrano amin’ity taona ity mialoha ny hiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE, ny 20 jona ho avy izao. Hotanterahina ny 2 mey ny voalohany, 16 mey ny faharoa ary ny 6 jona ny fahatelo farany. Itovizan’ny Zone d’administration pédagogique (Zap) 22 mandrafitra ny Cisco Avaradrano ny tetiandro hanatontosana ny CEPE andrana. Tanjona ny handrefesana ny fahaizan’ny mpianatra sy hanarenana ny lesoka amin’ny taranja mbola tsy voafehy tsara. Ampianarina manala fanadinana ihany koa ireo ankizy satria mitovy amin’ny tena CEPE ny fiatrehana ny andrana.
Mahatratra 11 123 ny mpiadina amin’ny CEPE ho an’ny Cisco Avaradrano, mitsinjara amin’ny foibe 23, ahitana efitrano 341, araka ny fanazavan’ ny lehiben’ny Cisco, Ratsimandresy Aina Nambinintsoa, omaly. 8 taona ny zandriny indrindra amin’ny mpiadina, eny Alasora ny foibem-panadinany, raha 43 taona ny zokiny indrindra. Ho an’ny BEPC, 88 08 ny isan’ny mpiadina amin’ity taona ity, miatrika ny taranja fanatanjahantena ny 8 279 amin’ireo ka hotanterahina ny 8 mey ny adina ho an’Avaradrano. 23 ihany koa ny foibem-panadinana ho an’ny BEPC ary 298 ny efitrano handraisana ny mpiadina. 11 taona ny zandriny indrindra raha 47 taona ny zokiny indrindra amin’izy ireo. Efa eo am-panomanana ny fanadinana tanteraka ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao, toy izany koa ny mpampianatra.
Nanamafy rahateo ny tale jeneraly, misahana ny Pedagojia, eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa mizotra manaraka ny tetiandro ny fanomanana. Efa mandinika ireo laza adina CEPE rehetra tonga ao amin’ ny minisitera foibe, hisafidianana ireo haroso ny mpiadina, ny teknisianina.
Vonjy A.