Fifaninanana tononkalo : mpianatry ny CEG 3 nahazo mari-pankasitrahana

Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ireo mpianatra 3 avy amin’ny CEG eto Antananarivo. Solon­tena avy amin’ny CEG etsy Analamahitsy, Antanimena ary Avaradoha izy ireo. Voa­fantina tamin’ny fifaninanana tononkalo manentana ny olona mba hanana fitondran-tena mendrika amin’ny fikajiana ny rano sy ny fahadiovana. Tonga nanolotra izany teny an-toerana ny lefitra faharoan’ny ben’ny Tanànan’Antanana­rivo Renivohitra.
Nikarakara fifaninanana tononkalo ny fitaleavana misahana ny Rano sy ny fahadiovana sy fidiovana eo anivon’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny rano sy ny fahadiovana, ny 22 marsa 2023 lasa teo. Nandray anjara tamin’ izany ireo ankizy tsirairay avy amin’ny CEG 6 (Anosibe, Manara-penitra Soaman­dra­kizay, Ampefiloha, Avara­doha, Antanimena ary Ana­lama­hi­tsy) eto Antananarivo. Nitsara ny lalao sy ny sanganasan’izy ireo ny manampahaizana ma­nokana nomanin’ny mpikarakara. Nandrombaka ny laharana voalohany tamin’izany, ny mpi­anatra avy ao amin’ny CEG Analamahitsy. Faharoa kosa ny avy ao amin’ ny CEG Antani­mena. Laha­rana fahatelo ny avy amin’ny CEG Avaradoha.
Nahazo mari-pankasitrahana avokoa ireo CEG rehetra nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Samy nahazo “lavage de main”, sceau, gel, masque, savony avokoa ny sekoly nandray anjara. Talohan’ny fanolorana mari-pankasitrahana, efa nalaina horonampeo teny anivon’ny radio iray ny to­non­kalon’ireo tafakatra.

Mino (Mpianatra asa)

Partager sur: