Kitra – “Jeux de la Francophonie” : 30 ireo mpilalao handrafitra ny Barea

Ho fiatrehana ny lalaon’ireo firenena miteny frantsay “ Jeux de la Francophonie 2023”, izay hatao any Kinshasa, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao, fantatra fa miisa 30 mirahalahy ireo mpilalao handrafitra ny Barea U20. Araka ny fanazavan-dRasoanaivo Rado, tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), teny Isoraka, omaly, dia notsongaina nandritra ny dingana voalohany fifaninanana ligim-paritra U19 sy ny fampivondronana natao teny Carion, ny 8-15 avrily lasa teo, izy ireo.
Ahitana mpilalao mila ravinahitra enina ny ekipam-pirenena malagasy, ary ahitana mpilalao mifaninana amin’ny « Orange Pro League » (OPL). Ny 22-31 mey ho avy izao, mikasa ny hanao fampivondronana voalohany, Barea U20, izy ireo raha toa ka ny 21-30 jona ny faharoa.
Marihina fa efa natolotra teny anivon’ireo mpikarakara ny fifaninanana « Jeux de la Francophonie », ny alahady 23 avrily lasa teo, ny anaran’ireo mpilalao Barea zandriny. Araka ny vaovao voaray teny anivon’ny Federasiona, amin’ny zoma ho avy izao no hampahafantarina amin’ny rehetra ny anaran’ireo mpilalao 30 mirahalahy, noho ny fandaminana napetraky ny FMF. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona “A” no misy ny Mala­gasy ary hihaona amin’ny RD Congo sy i Congo ary i Cana­da. Nohamafisin’ity tale teknika nasionaly ity fa mitohy hatrany ny fitiliana ireo mpilalao zandriny hanao ny Cosafa U20, io no antony nanaovana ny fifaninanam-pirenena, li­gim-paritra, U19.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: