Nisitraka atrikasa fanatsarana ny fahaiza- manaony ireo tanora any amin’ny faritra Anosy, ny herinandro teo. Niompana tamin’ny indostria, asa maitso, toekarena manga ary nomerika ny fampiofanana. Tetikasa niarahana tamin’ny mpiara-miombon’ antoka Rio Tinto QMM (QIT Madagascar Minerals) sy ny FMFP (Fonds Malgache de Formation Professionnelle). Nahazo vahana sy nomena lanja manokana ny sehatrasa momba ny injeniera. “Vonona ny hampiroborobo ny asa sy ny fanofanana arakasa any amin’ny faritra Anosy ny fanjakana malagasy”, hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rahantanirina Vavitsara Gabriella.
“Mampiroborobo sy mampandroso ny lafiny toekarena sy sosialy any amin’ny faritra Anosy sy ny firenena iray manontolo ny fahaiza-manaon’ ny tanora”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny FMFP, Ramaroson Jean Michel. Nilaza izy fa miandrandra vokatra tsara sy azo tsapain-tanana avy amin’ity atrikasa ity ny mpiasa malagasy. “Hanome loharanon-karena isan-karazany sy fitaovana hiatrehana ireo fanamby hampandrosoana ny lafiny toekarena ankehitriny ny tolotra toy izao”, hoy ny tale jeneralin’ny Rio Tinto QMM, David Alexandre Tremblay. Tsiahivina fa notontosaina ny zoma lasa eo tany Taolagnaro ny fanombohana ny atrikasa fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny tanora any amin’ny faritra Anosy.
Mino (mpianatra asa)