torimaso fotsy : mpandeha maty voatsindrin’ny fiara

Tovolahy 20 taona iray tamin’ireo mpandeha no ma­ty. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray teny amin’ny RN4, afakomaly vao maraina. Taksiborosy mampitohy ny faritra Sava nikasa hihazo ny Renivohitra ity nivadika ity. Tratry ny torimaso fotsy ny mpamily. “Na­nampy trotraka niteraka ny loza ihany koa ny fisian’ny zavona be teny amin’ny lalana, hoy ny mpamily”, araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary taminy. Nivoaka ny arabe ny fiara ka nivadika. Vokany, mpandeha iray na­moy ny ainy. “Mety nitsambikina hivoaka ny fiara ny tovolahy ka voatsindrin’ny fiara”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritra Ankazo­be. Olona 11 tao anatin’ny fiara naratra ka notsaboina eny anivon’ny CHRD Anka­zo­be. Tsy nisy atahorana ny fahasalaman’izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: