Tra-tehaky ny fokonolona ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray, antsoina hoe Rica, afakomaly. Nandroba vola iray gony izy sy ny namany.
Tsy lasa lavitra fa vao nikasa hitsoaka dia efa voasambotra i Rica, jiolahy raindahiny. Avy nangalatra vola iray gony tao amin’ny tsena Ambalasoaray izy sy ny namany, afakomaly. Lasibatra ny mpamongady sady mpivaro-mandeha. Efa hain’izy mirahalahy ny fanaon’io mpamongady io izay tompona kamiao ihany koa. Nanao paikady ny olon-dratsy, efa nanomana ny fomba hakana ny volabe. Vao nisy hirika, nalain’izy ireo an-keriny tamin’izany ny vola tao anaty gony. Nirifatra nandositra izy ireo avy eo.
Tsy niandry ela, nampandre ny manodidina ny tompom-bola. Vory vetivety ny fokonolona. Raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra, tra-tehaka ny iray tamin’ny jiolahy. Nariany teny amin’ny sisin-dalana ny gony nisy ny vola. Vantany vao voasambotra, raikitra ny daroka sy ny vely kibay. Nanamparan’ny fokonolona ny hatezerany ilay jiolahy ka vaky ny lohany.
Nandritra izany, afa-nandositra ny namany. Nanararaotra ny fahavarianan’ny fokonolona tamin’ny fahatrarana an’i Rica.
Naverina ny vola
Tonga teny an-toerana ny zandarimariam-pirenena, nanao fanadihadiana. Naka sy nitondra ny naratra tany amin’ny CSBII. Naverina tamin’ny tompony ny volabe tanaty gony, taorian’ny fanamarinana rehetra, nifandraika tamin’izany. Mitohy ny fikarohana ilay jiolahy iray tafaporitsaka.
Nifanindran-dalana tamin’izay, nisy ny fanentanana ny mponina mba tsy hanao fitsaram-bahoaka. Mangataka ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona ny zandarimariam-pirenena amin’ny famongorana ny tsy fandriampahalemana. Mampirisika ny mponina mba hitondra ireo olon-dratsy eny anivon’ny biraony ny mpitandro filaminana rehefa misy ny tra-tehaka. Nampahafantarina azy ireo fa voararan’ny lalàna ny fampiharana ny fitsaram-bahoaka.
Tsiferana R.