Mirongatra izaitsizy. Tena mampihorona hodi-doha ny fisian’ny andiam-balala manerana ny tapany atsimon’ny Nosy iny. Manomboka mandripaka tsikelikely ny fambolena ny valalamena. Mitaraina ny tantsaha satria anatin’ny fotoanan’ny fararano izao ny faritra maro. Manahy amin’ny ho fiantraikany ratsy amin’ny fiotazam-bokatra ny mponina. Ny vary sy ny tongolo ary ny voamaina isan-karazany, mampiavaka ny faritra no tandindonin-doza tanteraka.
Efa andro maro, tsy sasatry ny manao antso avo amin’ny tambajotran-tserasera ny « zanaky ny faritra », mitondra ny tenin’ny mponina eny ifotony. Tao anatin’ny andro vitsy, miparitaka any anatin’ny fitaovam-pifandraisana anatin’ny sampandraharam-panjakana samihafa ny filazana momba ny andiam-balala. Efa halohalika ny ranom-bary, loza mihatra tanteraka. Indrisy anefa, tsy mbola misy akory ny hetsika na dia ho mariky ny fahavononana aza. Ilay fametrahana laharana maitso, nampahafantarina tamin’ny tapa-bolana lasa izao no mba asa mivaingana hita tamin’ity taona ity.
Tsy hita izay homen-tsiny, na ny sampandraharaha manokana miady amin’ny valala aza, efa iaraha-mahalala fa sahiran-dava. Tsy ampy ny fitaovana. Tsy ampy ny hoenti-manana. Ny solika aza mbola ifampitadiavana. Ny fitaovana eo am-pelatanana tsy mifanentana amin’ny filana. Mazava ho azy, tsy maharaka ny loza efa an-tanàna ny eo am-pelatanana. Miraviravy tanana avokoa ny mpiantsehatra sy ny mponina izay lasibatra.
Marihina, misy ihany ny fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, toy ny masoivoho vahiny, kanefa tsy mahavaha ny olana izany. Misy, ohatra, ny ranom-panafody efa nahatratra 40 000 litatra nomen’ny vahiny. Tokony tsy ho azo nampiasaina izany, hoy ny teknisianina, satria ranom-panafody efa voarara. Tsy azo ampiasaina maneran-tany, noho izy manimba ny tany sy ny fambolena ary mety hanohintohina ny fahasalamam-bahoaka. Kanefa nampiasaina ihany tamin’ny taon-dasa dia izao mbola tsy nahavaha olana izao.
Volabe no ilaina raha hiady amin’ny andiam-balala i Madagasikara. Ny volana desambra 2022, nilaza ny tomponandraikitra fa mila 12 miliara Ariary, hoenti-miasa amin’ity taona 2023 ity. Aiza anefa no hananana izany ? Ny kitapombolam-panjakana izay mbola anisan’ny mijaly ankehitriny. Firifiry amin’ny laharam-pahamehana aza no tsy afaka efaina akory. Marina fa niakatra be ny vola nampidirin’ny sampandraharahan’ny hetra sy ny fadintseranana kanefa tsy ampy hisahanana ny olana sy fandaniana rehetra lalovan’ny fitondram-panjakana izany.
Inona ary ny vahaolana ? Hatramin’izao aloha, tsy misy ny azo atao. Samy makamaka izay andraikitra tandrify azy ny olona eny ifotony. Madagasikara rahateo tsy manana ny paikadim-pirenena hoenti-miady amin’ny valala. Mbola ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo, FAO, no anisan’ny mitady hevitra hanampiana an’i Madagasikara. Ny minisitera mpiahy ny sampandraharaha miady amin’ny valala, zara raha manana tetibola.
Mila mitady vahaolana haingana ny mpitondra satria anatin’ny hamehana tanteraka ny zava-misy.
r.r