Zava-mahadomelina: mpivarotra rongony 6 mianadahy voasambotra

Tambajotra mpikirakira rongony voasambotry ny zandary, ny 24 avrily teo. Taksi­borosy iray avy any Ambato­lampy, nitondra moto tao ambonin’ny fiara no voasava teo amin’ny PK 18, RN7, teo Ambatobevohoka, kaominina Bongatsara, distrikan’ Antana­narivo Atsimondrano. Tsy na­hitana taratasy na iray aza mahakasika io moto io. Nota­zonina ny lehilahy voatondro ho mitondra azy ka sarona tao anatin’ny kitapo nentiny ny rongony 58 fonosana. Natao famotorana, nambaran’io lehilahy io fa an’ny mpampiasa azy ilay moto, vao novidiana tany Ambatolampy niaraka amin’ireto rongony ireto. Niroso tamin’ny fisamborana ilay mpampiasa ity lehilahy ity sy ny sakaizany ny mpitandro filaminana. Nandritra ny fanadihadiana lalina, tra-tehaka tetsy Besarety ny olona roa ha­fa mpamongady rongony. Nahitana rongony 236 grama tao amin’ireto farany. Olona 6, arak’izany, no voasambotra niaraka tamin’ny rongony. Nogiazana ilay moto tsy nisy taratasy.

Tsiferana R.

Partager sur: