Tsy nahomby indray ny Makis de Madagascar nandritra ny fifanintsanana « Barthes Trophy U20 », 2023, taranja rugby aty amin’ny kaontinanta Afrika. Niondrika tany amin’ny ora farany ny Malagasy, resin’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa 16 no ho 11. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Nyayo National Kenya, omaly.
Raha hiverenana ny lalao, niady tanteraka ny fifanandrinan’ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana voalohany saingy nitarika tamin’ny isa teny amin’ny solaitrabe foana i Cote d’Ivoire. Ka ny isa 6 no ho 3 no nentina niala sasatra. Rehefa niditra ny fizaram-potoana faharoa, naneho ny hakingana sy ny tsipitsipy haingana ny Malagasy, nisy ny baolina nentin-tanana nataon’izy ireo, saingy lasa aloha ny tolotra (passe avant) ka nolavin’ny mpitsara izany. Taorian’io, nampiseho ny mpilalao malagasy fa hain’izy ireo ny manipy baolina malaky, ka nahatonga essaie indray i Julla, ny minitra faha -68. Lasa 11 no ho 9 ny isa.
Taorian’io, nanao fahadisoana ny Malagasy, teo amin’ny minitra faha-78, ka nataon-dry zareo Elefanta « penal touche » izany. Tsy nahatohitra ny tosika be nataon’ny Ivorianina ny mpilalao malagasy ka lasa « essaie » izany. Lasa 16 no ho 11 ny isa, nandresy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Faharesena roa nisesy izay no azon’ireo Makis zandriny. Tsiahivina fa lavon’i Tonizia, tamin’ny isa 50 no ho 16, izy ireo, nandritra ny andro voalohan’ity fifaninanana « Barthes Trophy » ity.
Fitia (Mpianatra asa)