Basikety-fifanintsanana“World Cup 3×3” : hihazo an’Israely ny 2 mey ny Ankoay vehivavy

Nanomboka, nikotrana indroa isan’andro, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy, basikety 3×3, hiatrika ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, hatao any Israely, ny 6 sy 7 mey izao. Ny 2 mey izao kosa no hanainga ny delegasiona malagasy, miisa 6. Hahitana ny filohan’ny delegasiona, Randriana Mihary, ny mpanazatra, Razananirina Prisca ary ireo mpilalao 4 mirahavavy: Muriel, Sydonie, Chine ary Christiane.
Marihina fa mbola manana 6 andro ireto mpilalao ireto, hanaovana io fanazaran-tena indroa isan’andro io, mialohan’ny hiaingana ho any Israely. Tsiahivina fa firenena 6 no handray anjara amin’ity fifanintsanana ity, ka izay ekipa 3 mendrika no hahazo ny tapakila hiatrehana ny “World Cup 3×3”, hatao any Autriche, ny 30 mey hatramin’ny 4 jona izao.

Mi.Raz

Delegasiona Malagasy hihazo an’i Israely

– Lehiben’ny Delegasiona: Randriana Mihary
-Mpanazatra : Razananirina Prisca G.
-Mpilalao : Hajanirina Harisoa Muriel,
-Mpilalao : Andriamihajanirina Sydonie Marie Erica,
-Mpilalao : Raherimanana Rondro Emerachine,
-Mpilalao : Jaofera Minaoharisoa Christiane

Partager sur: