Bealalana : mpamaky trano roa lahy voasambotra

Noraisim-potsiny tao an-tranony ny jiolahy roa lahy namaky trano tao Bealalana, afakomaly. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’ny fokontany Antani­ma­nga izy roa ireo. Nobatainy tamin’izany ny fahitalavitra, ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny masoandro niampy ny vatoharatra sy zavamaneno. Nanao fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny tompon-trano. Natao ny fikarohana. Nahazo loharanom-baovao tamina tsara sitrapo ny polisy. Nidina ifotony izy ireo ka tra-tehaka niaraka tamin’ny entana halatra. Niaiky ny helony izy roa lahy. Atolotra ny fampanoavana taorian’ny famotorana azy izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: